4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fefy tsilo - Mage 4

Refrain:

Fefy tsilo tsy azo ihoarana

No miaro ny foko ao mba ho azy ihany

Ilay fitia izay nomeny ahy

Tsy mamela ahy hitia any an-kafa indray

Babony aho



Ny tenako tsy tiany ho very

Fa ho azy mandrakizay, ho doria

Ny fiainanay tsy tiany hisy fery

Fa hadio hatrany, lafatra



Fantany fa maro be ireo fakam-panahy (ho ahy)

Fahavalo n’inona n’inona antony



Refrain:

Fefy tsilo tsy azo ihoarana

No miaro ny foko ao mba ho azy ihany

Ilay fitia izay nomeny ahy

Tsy mamela ahy hitia any an-kafa indray

Babony aho



Ny fihaonanay omeny hafanana

Tsy tsaroako akory ilay masoandro, n’aiza n’aiza

Ny aizinay fenony hazavana

Hery iray namatotra ahy ny fitsiny



Zovy moa no tsy mahalala fa ny fitiavana

Tsy hananan-kavana n’inona antony



Refrain:

Fefy tsilo tsy azo ihoarana

No miaro ny foko ao mba ho azy ihany

Ilay fitia izay nomeny ahy

Tsy mamela ahy hitia any an-kafa indray

Babony aho


Partager fefy tsilo

Commenter fefy tsilo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mage 4

Suite