4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fitiavana - Mage 4

Raha vahotra aho ela izay

Tsy niala ao anatiko ao

Ireo teny novolenao

Voafafinao hatrizay



Ilay irery aho tsy afa-nania

Satria tia te hiara-dia

Nafeniko anao ilay foko tia

Voafatotrao hatrizay

Niafina irery ho anao



Niafy aho tsy sahy aho ny niteny hoe

Mangetaheta anao aho

Ny fo sy ny saiko nirediredy hoe

Tsisy ohatranao raha ny ety



Feno fitiavana ao am-poko ao

Tsy misy toerana intsony

Rakotra tantely tsy hay hidirana

Itoeran’ny mamy ho anao



Toy ny masoandroko ianao

Tsy handao ny androm-piainako

Hery sy hafanana ho ahy

Osa aho raha lavitra anao



Manam-pinoana aho anio (manantena aho f’izao)

Fefy no iombonana (Ilay faniriana ho hatrizay)

Ilay fonao mamiko aty (Fantatrao fa)

Tena feno ny fitia (tsy sahy niteny aho satria)

Satria voaloham-pitia



Niafy aho tsy sahy ny niteny hoe

Mangetaheta anao aho

Ny fo sy ny saiko nirediredy hoe

Tsy misy ohatranao raha ny ety



Feno fitiavana ao am-poko ao

Tsy misy toerana intsony

Rakotra tantely tsy hay hidirana

Toerana mamy ho anao

Partager fitiavana

Commenter fitiavana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mage 4

Suite