4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Gidra tsaranga - Mage 4

Gidra-tsaranga



Mampatahotra, mampangovitra

Makarary an-doha

Mihamaizina ny fahafahana

Ka mampiketrona

Ny aretina,  tsy fananana

Mampiteny moana

Feno hantsana ny manodidina

Ka mampivahavaha



‘Nareo milaza hoe fahaleovantena

Zahay milaza hoe fitiavan-tena

‘Nareo milaza hoe ho avotra

Ny aty dia hoe : ny any am-pasana



Izahay aty mihamifintina

Tsy misy atokona

Ianareo ery efa ela no nahafantatra

Ireo mpangalatra mihabetsaka

Mampiasa maimbo vava a !

Ny anareo, ny vavahady asianareo mpiambina



Ianao no nahatonga fahantrana

Marary tsy mba misy mpihantra

Ianao natao ianteherana

Variana mihady ny any am-pasana



Ny aty sahirana ary mihanoana

Variana ianao matory eo am-pandriana

Ny aty mangetaheta fahendrena

Ianao variana mitaiza hadalana

Mage 4

Partager gidra tsaranga

Commenter gidra tsaranga

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mage 4

Suite