4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ao ihany ve ianao - Mage 4

Tsy ho tazana intsony angamba

Ilay masoandro fa any ambadika any ho any

Fa ny lanitra izay manga takon-drahona

Sendra rivotra mandrava



famerenana:



Ao ihany ve ianao(2)

Hiatrika ny fahoriako

Ao ihany ve ianao(2)

Hiatrika ny fijaliako



Tsy ho tazana intsony angamba

Ilay hazavana rakotra haizina ny tany

Nantenaiko tsy hitranga ilay fahantrana

Nampirotsaka tomany



famerenana:



Ao ihany ve ianao(2)

Hiatrika ny fahoriako

Ao ihany ve ianao(2)

Hiatrika ny fijaliako

Ô!Ô!Ô!Ô!Ô!

  Tsy teo intsony ianao

  Fa lasa nanadao

  Tsy tantinao ny fijaliako

  Tsy andrinao ny fihaviako

Partager ao ihany ve ianao

Commenter ao ihany ve ianao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mage 4

Suite