4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Maratra hambom-po - Mage 4

Ho avy any aho raha tsy mampaninona anao

Hamangy fa tsy hitory fitia

Fantatrao nefa fa hatramin’izao

Tsy manadino anao



Ho avy any aho raha misy tavela ny anao

Ampy hanafàna io hariva io

Sy hitàfa ny halahelo tsy maty

Nandratra ny fo(2), nandratra hambom-po



famerenana:



Ilay fanaoko taloha

Niafiako avokoa

Izay ao am-po

Ho fatorako mba tsy handeha



Ho avy any aho raha tsy mampaninona anao

Tsy hitanisa ny halaheloko akory

Fantatrao anefa fa hatramin’izao aho

Maratra ny fo(2), maratra hambom-po



famerenana:



Ilay fanaoko taloha

Niafiako avokoa

Izay ao am-po

Ho fatorako mba tsy handeha

Partager maratra hambom-po

Commenter maratra hambom-po

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mage 4

Suite