4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ramalagasy - Red Metal

Angaha ialahy manam-bola amina miliara?

Hatramin’ny zafihafy vita ny tantara

Angaha ialahy no mitaingina an’ilay Boeing ?

Any anaty kibo tsisy n’inon'inona

Ny any an-tsesin-tany tsy avela hody

Ahoana ianao r’ikama no miforitr’hambo?

Raha misy izao ilay famelana faobe

Isika rehetra rehetra tena faly be

50 taona izao no nahaleo tena

Jereo ny firenena fa mampahonena

Miroborobo be ny aferan’olom-bitsy

Isika maro an’isa dia mandady mihintsy



Ref:

Leo ny fahantrana Ramalagasy e!

Leo ny politika sy ny adalana

Leo ny miboboka ronono an-tavy

Hajanony, hajanony, mampanavy !!!!!



Politika no atao fa tsy afera

Miteny ianao fa tafa f’aza mampidera

Dia ambany ravin-kazo mitranga lela

Teren’ny fahantrana toa tsy afa-bela

Iza no mikajy ny tontolo iainana?

Rivotra manempotra toa tsisy iainana

Dona ny tanety voadoro ny ala

Zezika simika no mameno vala



Ref:

Leo ny fahantrana Ramalagasy e!

………………………………………………












Partager ramalagasy

Commenter ramalagasy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Red Metal

Suite