4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ratsito - Red Metal

Matroka ny andro t@ izay

Tao an-dapa mangina lalina sy mandry fehizay

Ilay  mpanjaka tsy refesina mandidy manjaka tokana toa andriamanitra



Fa Ratsito sy ny namany mikotrika ny fikomiana

Leo ny didin-jadona, leo ny fahoriana

Hisintona, hisitaka, hikahon-doha hamerina ny taloha



Loholona, mpanolon-tsaina, ny mpitari-tafika @ tan-dapa  dia efa vonombonona a! a ! a !

Ny vahoaka tsy mandady harona, ny valala be mandry dia efa te hitolona



Miandry fotsiny ny higadonan’ny maty volana amin’ny Alohotsy

Miainga ny hery miafina avy anaty ny horom-potsy

Handrombaka, handrodana  ny fitondrana, hanongana ny fanjakana



Io no andro voatondro hisandratan’I Ratsito

Izy no fitaratra hanilo ny hampitso

Tsy hisy intsony hahasakana ny diany mankany @ avo

Tsy handohalika ho lavo



Loholona, mpanolon-tsaina, ny mpitari-tafika @ tan-dapa  dia efa vonombonona a! a ! a !

Ny vahoaka tsy mandady harona, ny valala be mandry dia efa te hitolona



MIFAMPITANA, MIFAMPITADY, TSY VOATANA, FA HIADY, HIFANDAZA, HIFAMONO, HIHOSON-DRA, ROMOTRA!!!!

AAAAAAAAAAAAhhhhh!!!!!!!!!!!!!! (grooooooooowwwwl)!!!!!!!!!!



Hisy rà mandriaka eto anio

Tsisy hanaiky hilavo lefona

Samy mangetaheta fahefana

Fitondrana, fanjakana

Fahefana haningotra ny aina

Miaramila voabaiko hatramin’ny saina

Miloza ho misikina ny herim-po

Ndrao dia very zo ka ho tapa-doha




Partager ratsito

Commenter ratsito

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Red Metal

Suite