4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Souwary - Red Metal

Tsy herin’i Satana

Fa herin’ny filana

No nanosika ahy ho eto ankaikinao

Tsy kilalao



Fantatro ianao fa zafiafin’ireo tompomenakely

Mpisolelaka ny mena sofina

Manjanaka an’i Madagasikara



Fantatro ianao fa zafiafin’ireo mpivarotra tanindrazana

Mpamadika ny VVS sy ny Menalamba

Aman’alina ny maty tao Moramanga



Fantatro ianao fa zanaka mpitory teny tena fanatìka

Nefa tsara ho fantatrao

TSY MITOVY NY HEVINTSIKA

NEFA IZAHO TSY SATANIKA!



Sao tsy fantatrao fa zafiafin-dRanavalona fahatelo isika

Raha niaina t@ androny ianao io

Efa tapa-doha

Sy efa lasa matoatoa!



Sao tsy fantatrao fa manana ny fomba tena MALAGASY ISIKA

Saingy nasitrika nariana

VAVAKA VAHINY INDRAY IZAO NY MAHAVARIANA



Ref: Souwary a! Souwary a!

Tsy izaho hoa ny hanaranao torin-teny

Souwary a! Souwary a!

Avohay hoa ny bokinao asiako tsianjery

Souwary a! Souwary a!

Tsy izaho hoa ny hanaranao torin-teny

Souwary a! Souwary a!

Sokafy hoa ny fonao ho asiako voninkazo!



Tsy herin’i Satana

Fa herin’ny filana

No nanosika ahy ho eto ankaikinao

Tsy kilalao



Hatramin’izao ianao mbola mahazo seza ao @ fitondrana politika

Tetezana, tunnel tsy mety vita

MANDRAKIZAY HO ZANATANY FOANA ISIKA!!



Tsy fantatra intsony ianao na mpimasy na mpiandry

Sa mompera sa masera

Mihevitra ny tenany izy fa anjely

NEFA DORAN’NY AFOBE TSIKELIKELY



Ref: Souwary a! Souwary a!

Tsy izaho hoa ny hanaranao torin-teny

……………………………….


















Partager souwary

Commenter souwary

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Red Metal

Suite