4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ditra - Hery

Raha ho avy ilay andro hiovako fo

Handaozako ireo ditrako

Niarahako taminao



Hohadinoiko ny omaliko

Nitondra ny fiainako

Tamin’ny haizina hatrizay

Tsy nahitako hazavana



Ref:

      Ireo teny maloto fambarako

      Nameno ny vavako

      Nankarary sofina ny maro



      Hosoloiko ireo teny mahasoa

      Hanambatambazako ireo tokofa tamiko

      Noho ny amin’ireo fiteny ratsiko



      Tsy voagejan-ditra intsony aho

      Afaka tanteraka

      Fa olom-baovao anie aho



      F’efa lasan’ny teo aloha

      Toetra mahakivy ny maro

      Ka dia mivalona ho tantara ireny

      Tsy asiako fanenenana.



Ho sainiko foana ireo anatrao

Nataonao tamim-pitiavana

Tsy nijerenao ny ditrako



Tsy averiko itsony ireo fombako

Nampitomany anao

Toa ny fanimbazimbana sy eson-teny

Rehefa mivavaka ianao

Partager ditra

Commenter ditra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Hery