4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fanantenana - HERY J.

FANANTENANA



Tsy maintsy ho ringitra ny hazo

Ny voninkazo dia halazo

Ny tany ho zary karakaina



Misy fiafarany ny lohataona

Ny fifaliana ho lasa saona

Izay najoro ho rava maina



Fa raha mbola mihodina ny tany

Tsisy fiafarany

Na ho tomany aza aloha androany

Manantena ihany



O o o o Mitsikia fa aza manahy



Ny sorisory sy alahelo

Ranomaso, fo fenofeno

Mbola ho lasa tsiky ihany



Ny tebiteby sy ahiahy

Adin-tsaina amam-panahy

Mbola ho adinoina izany



Misy iray tsy manadino anao

Mahalala anao

Mahafantatra izay mahasoa

Ny fiainanao

Partager fanantenana

Commenter fanantenana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe HERY J.