4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny tantara no hitsara - HERY J.

NY TANTARA NO HITSARA



Mba tantarao anay ry dada ô

Ny tontolo fahiny e nisy anao

Rivotra madio ô, ala maitso soa sy vao



Toa fivelomana tsotsotra

Mankatoa ny fisian’ny hafa rehetra

Satria izay manana aina e

Dia nekena sy nohajaina, eny e



Indrisy ô, tsisy niangana ny soa navelanao

Fa diso ô, tsy nahay nikolo ireo dimbinao



Lazalazao anay ry neny ô

Ny fiainana fahiny e niainanao

Fiaraha-monina tsotra e

Tsy mba be raorao



Na tsy mba nisy irony fiara

Na ‘reo fitaovana nentin’ny fivoarana

Nahay nifandray ihany

Nahay nifanasoa, eny e



Indrisy ô, samy maka ho azy ireo zanakao

Fa diso ô, diso mihevi-tena ho ‘zao sy izao



Raha ny ankehitriny aloha tsy mora

Ny handresy lahatra azy rehetra

Satria ny fo mafana e,

Ny tantara no hitsara

Partager ny tantara no hitsara

Commenter ny tantara no hitsara

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe HERY J.