4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Misalasala - HERY J.

MISALASALA



Misalasala foana ianao

Mandefa eritreritra, manahy lava izao

Miady ny fo sy ny sainao

Misamboaravoara anatinao ao



Dia tsy foinao haka vahana

Ilay fonao mahamahana

Toa tsy tianao hamololona

Ilay fitia tsy mety mionona



NEFA ANIE IZY MIANDRY ANAO FOANA

NEFA ANIE IZY TENA TIA

KA NY FONAO NO ATOLORY

NA SAMBATRA IZY NA ORY



Asa raha mba voadinikao

Fa ny fotoana mora mandao

Ny anio dimbiasin’ny alina

Ny ampitso indray zava-dalina



Ka na dia be ny ahiahinao

Mamisavisa ny hoavinao

Mba iaino ihany ny fiainana

Ankafizo f’aza itarainana



RAHA MBOLA MISY TSIKY IRAY IHANY

TONGA MANKAHERY ANAO

ANGALAO FY DIA  IFALIO

FA FANAMBINANA IO



SATRIA ANIE IZY MIANDRY ANAO FOANA

SATRIA ANIE IZY TENA TIA

ADINOY ANY ‘ZAY AHIAHINAO

DIA TSIKITSIKY ATAO



Rehefa rafahasambarana

Mandondom-baravarana

Aza dia be fikenina

Fa ndrao ho lasa nenina



Satria ny fiainana an-tany e e

Indray mihodina ihany ô

Ka ny sainao no amafiso

Fa ny fo tia, tsy mahalala diso



NY FO MITIA MAIMAIMPOANA E

TSY MAHALALA FOTOANA

TSY MIANDRY ANDRASO, TSY MIAHIAHY

FA REHEFA TIA DIA SAHY



NY FO MITIA TOJO NY TIANY

IO NO HASAMBARANA FENO

K’AZA RARÀNA IZY RAHA HANOME

FA MANANA BE DIA BE



SATRIA ANIE IZY MIANDRY ANAO FOANA

SATRIA ANIE IZY TENA TIA

KA NY FONAO NO ATOLORY

NA SAMBATRA IZY NA ORY



SATRIA ANIE IZY...

Partager misalasala

Commenter misalasala

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe HERY J.