4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ampy ifaliana - HERY J.

AMPY IFALIANA



‘Reo alahelo sy ranomaso narotsaka

Tsy nisy nitondra ny fanafody hanasitrana

Ny aina no valaka, ny fanahy re no trotraka e

Fa ny ady tsy nihontsona, mamaky ny loha



Rehefa mahatsiaro sy lasa saina miserana aho

Manembonembona ny fahiny toa lafatra

Saingy zay lasa omaly tsy azo ianteherana e

Ny anio efa hafa indray, ny rahampitso koa



Ka ‘zay vita androany, ampy ifaliana e

Fa fotoana very ny fitomaniana e



Manjombon-dava ny aty tsy andro tsy alina

Na mba milofo aza tsy mahita mangirana

Miezaka ihany kanefa tsy ela dia fanina

Ka reraka ny aina e, tsy to izay atao



Nefa ny tany dia milalao faribolana

Ka ny masoandro nidify mbola hiverina

Tsy misy ady tsy laitra rehefa isoronana e

Atreho ny maraina vao fa tonga ho anao



Io maraina vao io andrandraina e

Mbola manantena raha velon’aina e

Partager ampy ifaliana

Commenter ampy ifaliana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe HERY J.