4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Moramora - HERY J.

MORAMORA



Moramora

Ny miteny lava isan’andro

Manakora,

Ka milaza arira sy angano

Manakiana sy

Mitsikera ny ataon’ny hafa

Zay tsy tiana:

Dia lotoina tsy ananana antra



Omby mahia

Tsy mba misy mpanindrahindra

Ahiahiana

Sao hoe misy areti-mifindra

Ny hazo avo ihany koa

Halan-drivotra, halan-tadio

Zay nambinin-tsoa

Dia lazaina fa tsy madio



O ô

Rahoviana vao mba ho fitiavana

No handrindra sy hitari-dàlana

O ô

Ka ny ambony dia hatao filamatra

Ny malemy dia hiaraha-manandratra



Fandresena

Ny mahay ny hoe miara-dia

Tsy terena

Fa entanin’ny fo mitia

Fahamboniana koa

Ny mandefitra mietry tena

Mampitony fo

Fahanginana volamena



O ô rahoviana...



Tsy misy ny olona tonga lafatra

Ny maro e dia milofo misasatra

Miezaka ho amin’ny tanjona  ho tratrariny

Mihevitra fa hoe manana rariny



Nofiko e, nofinofiko atoandro izany e e

Nefa ve, dia tsy maintsy ho faranana

Raha ianao namako mbola tia ahy ihany e e

Izaho sy ianao hiara-hino ilay nofy mamy

Partager moramora

Commenter moramora

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe HERY J.