4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Masoandro - HERY J.

MASOANDRO



Mihazakazaka tsy miato ny andro aty

Tsy mba mety ho tony ny fiainanay

Fa mandritry ny alina dia miandry anao

Itondray, itondray hery vao



Ny maraina : mamanala, ny antoandro maloka

Ny hariva maizim-be raha tsy eo ianao

Tsy ahitana hafaliana, valalanin’hakiviana

Ny manodidina ahy, nilaozanao



Ny anio mbola ady mahamay

D’efa mihevitra ny ampitso indray

Miha-marefo, miha-malemy ny sainay

Itondray, itondray hery vao



Ny maraina : mamanala, ny antoandro maloka

Ny hariva maizim-be raha tsy eo ianao

Tsy ahitana hafaliana, valalanin’hakiviana

Ny manodidina ahy, nilaozanao



Any ambadika any misy miandry anao

Angamba mila anao aza mihoatra anay

Fa rehefa hiverina eto indray ianao

Itondray, itondray hery vao ... (mitohy)



Fa na ora-panala, na andro migaina dia ilaina

Fa tsy izaho irery ihany no miaina, mitaraina

Fa ianao ry masoandro no loharanom-pahazavana

Ho ‘izay rehetra manan’aina, ianao foana no andrandraina

Mila anao e!

Partager masoandro

Commenter masoandro

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe HERY J.