4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Iza indray - HERY J.

IZA INDRAY



He iza indray no antenaina ho mpiahy

Fa ianao nandrandraina, mampiahiahy



Reo izay notendrena ho mpitari-dàlana

Ho an’ny firenena s’izay lalam-piainany

Manao kibo an-tsena, mampisara-bazana

Tsy mahay mihaino izay mba fitarainany

O ô ô ô

Ye ie ie eeh



He iza indray no antenaina hanasoa

Raha ianareo manan-tsaina mikitoatoa



Zay nomena ny hery sy ny fahefana

Fony very hevitra ny mpiara-monina

Nanadinodino teny ‘reo toky nomeny

Fa fitiavan-tena no niha-mafy orina

O ô ô ô

Ye ie ie eeh



Hatraiza no mbola hiafiana

Hiaretam-pijaliana

Ry tanindrazanay malalako ô



Toloko no anjaranao mazàna

Sakaizam-pahantrana

D’izay no mba tantarako



Tsy misy mifampiantra intsony ve

Fa feno lonilony e,

Mifampiahiahy ny mpirahalahy



Tomany, tomany ‘reo zanakao e

Tsy miala, tsy mandao e

Fa mbola hanandratra anao, hanandratra anao

Hanandratra anao

Ye ie ie ee

Partager iza indray

Commenter iza indray

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe HERY J.