4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Aza atositosika - Hery Rabenjarison

Tsaroako tsara ny adim-piainako

Tamin’ny andro ratsy teo aloha

Ianao mba nitokisako aza

Nanindrona antsy avy ao ivoho

Sanatria ny vava kosa anefa raha

Ny hanao andolom-po

Tsy misy tsiny ka tsy misy tsiny ry sakaizako ô



Tsy afaka ato antsaiko mantsy

Ilay masoko nanganohano

Ny asa mba natolotra ahy tamin'reny

Tena asam-borozano

Ianao mba sefo tamin’ny orinasa fa

Nandosindositra ity vasa

Tsy misy tsiny ka tsy misy tsiny ingahy sefo ô



                Aza atositosika hono hoe ny ondry botry fa tsy fantatrao

                Fa ny ho avy sy ny ampitso  mbola ankamantatra

                Aza atositosika , aza atositosika …

                Fa ny ho avy sy ny ampitso mbola ankamantatra



Ny olona mba nitoerana, mafy koa ny nentintsika

Ny ambavafo marary nefa dia nomeny vary mangatsiaka

Raha olonkafa tsy maninona ,

Raha toa manao tsinontsinona

Tsy misy tsiny ka tsy misy tsiny rahavako ô



Nisy koa madama iray izay, nanendrikendrika ahy nangalatra

Dia mbola hisy fitsarana f’aza maika ary amin’izay tsy maintsy ho fantatra

Tsy misy diso tsy hivarina ,

Dia hibaribary teo ny marina

Tsy misy tsiny ka tsy misy tsiny madama ô



                  Aza atositosika …





Tsaroako tsara ianao ry fahantrana nangiroka tsy azo ialana

Kanefa raha any marina no atao, lasa ianao fa tsy tamana

Ireo izay namingavinga, no nanolotra ny ampinga

Tsy misy tsiny ka tsy misy tsiny re rey olona ô



                 Aza atositosika …

Partager aza atositosika

Commenter aza atositosika

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Hery Rabenjarison