4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ianao - HeryLo

Hirahira no mba fanao

ho entina hanembonana anao

Hatsiarovana ireo fanao

Fony aho teo anilanao

Mandalo ireo heritreritra

Miserana tsy tafapetraka aho

Zany ny hoe lavitra anao

Tsy hita akory zay  ho atao



   Ianao irery ihany no mba tiako

   Andry hiankinan’ity fo

   Sombinaiko tsy ho foiko

   Fitiavako tsy mba ho lo

   Ka n’aiza n’aiza misy anao

   Ho tsiahy foana anatiko aho

   Reo safosafon’olon-tina

   Fitiavana mahavariana



Ny faniriko rahatr’izay

Dia ny hiara-dia ho mandrakizay

Hitambatra ho olona iray

Fitiavana no mampiray

Masoandrom-piainako ianao

Very aho raha vao hilaozanao

Ary tsy misy hiriako mihotra anao

Amin’izao tontolo izao



Hirahira no mba fanao

Hatsiarovako ny anaranao

Aza hilaozano izao

Fa sao hangina irery eto aho

hirahira no mba fanao

Raha sendra mba lavitra anao

Ka n’inona n’inona manjo

Ianao no efa safidin’ny fo



          Ianao no mba tiako anie

          Fitiavana lehibe dia lehibe

          Mandrakizay ka ho doria

          Ilay fitiavana atolotro an-dry









                                           Auteur: Herylo

Partager ianao

Commenter ianao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe HeryLo