4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira 3f - Antsa an'i Kristy

Ny Finoako Anao Tompo ô! no mampijoro ahy

Tsy ho voahozongozona amin’iro fakam-panahy

Finoako Anao Tompo ô; finoako Anao

Finoako Anao no mampijoro ahy

Raha mifoha maraina aho mivavaka Aminao

Mametraka ny fiainako am-pelatananao

Ka havaoziko indray ny fiainako am-panahy

Mba hahaizanao miantra foana ahy



Fanantenana indray ny hiaraka Aminao

Fanantenako ny honenanao

Tsy izaho intsony no velona

FA Kristy velona ô ô ato anatiko



Fa fitiavana tokoa no ambony idrindra ao

IO fitiavana io Tompo ô no mampandefitra ahy

Ka mampitony ny hambom-poko

Fitiavana Tompo ô no ambony indrindra ao

Fanatenana indray ny hiaraka aminao

Fanantenako ny honenanao

Tsy izaho intsony no velona fa Kristy velona ô ô ato anatiko



Faniriko re ry Ray

Ny hialoka aminao sy ho fanaka fitondranao

Ho fitondrana ny Anaranao ô ô fanantenako izany!

Fanatenana indray ny hiaraka aminao

Fanantenako ny honenanao

Tsy izaho intsony no velona fa Kristy velona ô ô

Fanantenako izany!





Antsa an’i Kristy

Partager 3f

Commenter 3f

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Antsa an'i Kristy

Suite