4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tiako ianao - Mirado

Androany,izao dia izao
Izao no ilazako aminao mazava
Ny ato am-poko hatramin'izay
Ka mba raiso sy henoy
Fa mba iangaviko mihintsy ihanao
Tsy fanaoko izao ,milaza hoe tiako ianao

Sanatria tsy sangisangy
Na hoe teny an-tendro molotra ihany
Izao lazaiko anao izao
Raha tsy mino ahy ihanao
Indro averiko indray ho renao
Tiako ihanao,tena tiako ihanao

REF:
Tsy manery anao anie aho
Tsy hoa koa hoe mitalaho
Fa ny ao am-poko izay ao anatiko
Izay no tsoriko aminao
Raha tsy mino ahy ihanao
Indro averiko indray ho renao
Tiako ihanao,tena tiako ihanao

Tsy mila valiny aho
Izaho tsy angataka ny iharaka aminao
Tsy izay no tanjoko
Fa raha toa tsapanao
Fa mitovy lanja amin'ny ahy ny fitiavanao
Dia raiso ny tanako

REF:
Tsy manery anao anie aho
Tsy hoa koa hoe mitalaho
Fa ny ao am-poko izay ao anatiko
Izay no tsoriko aminao
Raha tsy mino ahy ihanao
Indro averiko indray ho renao
Tiako ihanao,tena tiako ihanao




Partager tiako ianao

Commenter tiako ianao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mirado

Suite