4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Eto aho - Mirado

Matoa tsy mahaloa-peo aho
Mitazona mafy ny tananao
Dia mangovitra toy izao
Matoa ny manganohano no hanambarako
Ny ato am-poko, tena resy aho
Matoa nataoko izao
Matoa manao ny tsy fanao aho
Efa hita tsy mety, voatery
Fa tiako loatra ianao

Eto aho, tsy havelako eto ianao
Raha tsy efa mandoro ny fonao
‘Lay afo tsy zaka anatiko ao oh
Eto aho, miboredika toy ny adaladala
Tsy haiko fahezina, na afenina
Fa tiako loatra ianao

Tia aho, tsy misy hoe nahoana fa dia izay
Lazaiko fa tiako, eny tena tiako
Lazaiko indray anao
Tia aho; sanatria ny hananihany anao
Raha tsy maintsy ho “eny”
Izao anio izao
Dia ho iray ihany izaho anio izao

Eto aho, tsy havelako eto ianao
Raha tsy efa ao anatinao,
‘Lay afo tsy zaka anatiko ao, oh
Eto aho miboredika toy ny adaladala
Tsy haiko fehezina na afenina
Fa tiako loatra ianao

Lazao ahy
Tsy maintsy ho ahy eh
Ianao


Partager eto aho

Commenter eto aho

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mirado

Suite