4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Lasa - Mirado

Lasa tsy naharitra aho mba hizaha
Ilay hasambarana any ambadika any ho any
Ny veloma narahinao tomany
Tsy mety ho adinoina hatrany anatiko any
Toa tsy ho aiko ny hanao veloma anao
Handao ireto masonao manganoano
Tsy nahatsiaro vizana aho raha nioty
Ireo voninkazonao tany an-tany lavitra any,
Fa ny mody ny ho eo anilanao
No hany fanafody hamalifaly anao
Maika ery aho ny hamakivaky irony
Alina mangina feno fahoriana
haizaina sy orana nandeha,
Hirifiry solafaka eny
Ny fanala mitsilo aza very
Tselatra no jiron-dalako
Nefa izany fiaretako izany
Nafeniko ihany,tsy h fantatrao
Na ireo izay mikiky nandratra ahy
Dia miafina mangina ao anatiko ao,ao anatiko ao
Nefa izany fiaretako
Tonga aho tsy niserana ka nivazo aho
Dia nipararetra feo
Ka dia nanjoretra teo
Nikotaba aho nikaroka anao
Ny andao ireto maso mba hiverenanao
Fa ny maso,ny rano mitoreo
Manoritra tomany efa raha maneho
Fa veloma,tsy fantatra intsony
Ny ho avy hitanisa hatrany anaty fony
Avelao aho hanao veloma anao
Hangina samirery tsy hahatsiaro anao
Lasa tsy naharitra aho mba hizaha
Mitamberina eto indray
F'efa tojo ny andro iray

Partager lasa

Commenter lasa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mirado

Suite