4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Valin'ny ditra - Mage 4

Valin’ny ditra



Toa valin’ny ditrako angamba

Izao fahoriana izao

Matoa aho

Tsy mety mahita toa jamba

Ilay hoe fiadanana



Rehefa nilaozany irery aho

Nandritra izay ela izay

Nihamaivana

Ny vesatry ny harena hatrizay

Noentin’ny hadalana avokoa



Raha tsisy azo atao

Aleo mihira hoe …



Anatra natao ahy ny omaly

Ka tsy hiverenako intsony

Mijaly aho

Raha toa ka minia tsy hahita

Izao fahantrana izao



Niezaka ihany aho hitady

Hamerina ireo izay very

Tsy tantiko

Raha ho taraina ny ampitso

Ka ho tantara feno hakiviana



Raha ts’isy azo atao

Aleo mihira hoe …





Mage 4

Partager valin'ny ditra

Commenter valin'ny ditra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mage 4

Suite