4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ikoto.com - Red Metal

Hitako eo indray izay mba adinao r’Ikoto

F’efa mankaleo ny resaka malotoloto

Fa ny mpokona @izao efa mazoto

K’aza hanaovanao resaka ravitoto

Ary ny ombinao tandremo kosa sao mandoto

Fa I Gasikara anie efa kila-ho toto

Potipotiky ny laona sy ny fandoto

Toy ny fotsim-bary tena tsara toto



Tandremo fa I Gasikara leitsy tsy Zamerika

Olona dala ireny sady efa mivika

Aza milomano @ rano feno atsantsa

Tsy aleon’Ikoto ihany miaraka @ lafrantsa?

Zavatra tsy maintsy ho ataon’ialahy izao dia ny ampamoaka

Avy dia gadrao ireo fa aza avela hitsoatsoaka

Tsy ankiandriandry fa avy hatrany dia manapoaka

Hitak eo ialahy ry Ikoto raha hahatanty Shock a!!



Ref:  Eo ry Ikoto f’aza mihanahana

         Ajedao ny irak’I Satana

        Eo ry Ikoto tena ataovy fay

        Hampireheto ataovy mamay!!



Tandremo ialahy ry Ikoto sao mivadika @ decret

Aiza ilay voady teo @ 13 mai?

Lava be ilay kabary teny ambony kianja

Tena tanteraho ireny f’efa revy manja

Tandremo sao adino ireo akama avy any anindrana

Omby volavidy ingahy tsy tokony hifampindrana

I Gasikara iray manontolo miaraka miroana

Fa raha tsy izany eto tsisy fandrosoana!!



Ref:  Eo ry Ikoto f’aza mihanahana

         Ajedao ny irak’I Satana

        Eo ry Ikoto tena ataovy fay

        Hampireto ataovy mamay!!

        Eo ry Ikoto f’aza mihanahana

        Efa lasanao izao ny tanàna

        Eo ry Ikoto tena ataovy fay

        Hampireto ataovy mamay!!


Partager ikoto.com

Commenter ikoto.com

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Red Metal

Suite