4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira O nahoana - Ny Mpitory

O nahoana re no manjoretra

Izany fahoriana tsisy fetra

Moa tsy renao ve ny antso feno toky

Manatona fa havotako



Mbola miantso anao anie Jesosy

Ry olo-manam-piaina mikorosy

Tsy ny marina anie no antsoiny

Fa ianao mpanota tsy afoiny



Hody ihany ve tsy hanadiva

Aza miandry ny andro ho hariva

Fa ho neninao ny hatakandro lava

Raha tonga ny andro farany



O nahoana re no toa mifaly

Nefa ny fanahinao mijaly

Entinao mihosona amim-pahotana

Iandrandrao ’zay hiafarana



Mbola miantso...



Hody ihany ...



Na dia sendra ady sarotra aza

Dia manantena ny fandresena

Nohavarinao ho ady tsy sahaza

Hiantao ilay mpamonjinao



T/F Dr Andriamiadamahatratra Miharilaza

Partager o nahoana

Commenter o nahoana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Mpitory