4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mba ahoana loatra - Ny Mpitory

Mba ahoana loatra re Jeso

No hahaizako mitia Anao

Indraindray aho dia tia tokoa

Fa vetivety dia mandao



Toa ny onjam-piainana eto

No mibaiko ilay Fitia

Ka arehitry ny sento

Ilay fitiavako malia



Nodiako tiana Ianao satria

Mba satriko ny tsy ho very

Tahotro io fa tsy hoe fitia

Na koa fitia fa dia an-tery



Mbetika aho no mba miteny

Tiako miaraka Aminao

Angolan-teny ireny

Fa tsy fitia anatiko ao.



’Zao izao ankehitriny izao

Dia te-ho tia anao tokoa

Koa tazony aho mba ho anao

Fandrao dia manadino indray



Raha tsy mendrika ho sakaiza

Tano re mba ho mpanompo

Anilanao n’aiza n’aiza

Izay Jeso no faniriako

Partager mba ahoana loatra

Commenter mba ahoana loatra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Mpitory