4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mpivaro-taoka - Ny Mpitory

O! ry mpivaro-toaka e mandeha ve ny tsena

Fanahy firy izao no lasana nivena

O! ry mpivaro-toaka e mitobaka ny harena

Fanahy firy izao no babon’i satana



Ianao angaha mba diso (Ianao ange tsy diso)

Fa izy no adala (f’izy no adala)

Ianao no nampiranty (fa izy tsy nahatanty)

Volany no miala (volany no miala)

Fantatrao mihitsy (fantatrao)

Fa izy anie ho very (tena very)

Fa iniana akimpy (akimpinao)

Ny maso tsy hijery (tsy hijery)

Ny kiaka sy ny jaly (jalijaly)

Odiana tsy henoina (tsy henoina)

Fa ny mampifaly (mampifaly)

Dia ny vola foana

Vola vola foana

O! ry mpivaro-toaka e saino sy hevero

Moa voninahitrao va re raha fenonao ny helo ?



O! ry mpivaro-taoka e! mpanjifa no mitombo

Mivarota foana ny aretina hihombo

O! ry mpivaro-taoka e mikoy ny tontolo

Faly izao ianao mandre savorovoro



Mpivady miady lava (ny tokantrano rava)

Tsy ahoanao (tsy ahoanao)

Zaza noana lava (mitanatana vava)

Tsy andraikitrao (tsy andraikitrao)

Ny jaly hirifiry (hirifiry)

Koloina mba haharitra (mba haharitra)

Kajiana hakadiry (hakadiry)

F’izay no tombom-barotra (tombom-barotra)

Izay mivaro-toaka (varo-toaka)

Tsy ho feno hasambarana (tsy sambatra)

Fa fahoriam-bahoaka (fahoriana)

No sakafo hifaharana (hifaharana)

Sakafo hifaharana



O! ry mpivaro-toaka e saino sy hevero

Tsy afaka miaraka e! ny lanitra sy helo ?

Partager mpivaro-taoka

Commenter mpivaro-taoka

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Mpitory