4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Satria izaho sy ianao - Ny Mpitory

Satria izaho sy ianao tsy misy hafa akory

Tena iray tokoa satria samy mpitory

Dia tsara raha mifankatia re,

Satria Jesosy tia re,

Nanafatrafatra tokoa !



Hatrany am-paran-tany anie no hokendrena

Ho ampandrenesana ilay hafatra nomena

Fa raha misaratsaraka sy tsy mifanaraka dia

Tsy misy zavatra ho to



Noho izany dia hifankatia

Ny firaisana no ndeha hatao satria

Tokana ny tanjona kendrena

Kristy ilay naniraka jerena

Ny firaisana no ndeha hohajaina fatratra

Hahatafita soa ilay hafatra !



F’iray no Tompo Andriamanitra inoana

Izany tokana ny adidy manoloana

Ireo zay tsy mahazo an-tsaina

No ndeha hampahalalaina

Fa Jeso no mpanavotra



Ilay paradisa izay ananany anjara

No handeha holazaina sy hatao mazava tsara

Fa raha ny sampy no hajainy, tompony sy lalainy

Tsy ho azony ny lanitra



Noho izany dia hifankatia

Ny firaisana no ndeha hatao satria

Tokana ny tanjona kendrena

Kristy ilay naniraka jerena

Ny firaisana no ndeha hohajaina fatratra

Hahatafita soa ilay hafatra !

Partager satria izaho sy ianao

Commenter satria izaho sy ianao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Mpitory