4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tiavo hajao - Ny Mpitory

Efa mahantra an-tany ianao

No mbola tsy handova ny lanitra ve?

Tsy an-tany, tsy an-danitra hatramin’izao

Minia tsy manaja an’ Andriamanitra re!



Aza atao hoe tsy mba tian’ Andriamanitra ianao satria ambany

Ianao eny ianao no anton’izany

Sitrakao ny ho tahiany nefa lavinao izay handidiany

Koa tiavo hajao ny Tomponao.



Efa mpanjakan’ny tany ianao

Ka tsy mila izay lova any an-danitra ve?

Matoky fa manan-kery tsy mandao

Minia tsy manaja an’Andriamanitra re!



Mba tsarovy fa vahiny mbola hody sady hotsaraina ianao

Na tsara eny na ratsy izay natao

Raha sitrakao ny handova aza lavinao izay mba handidiany

Koa tiavo, hajao ny Tomponao



Aza sondiana mibanjina tany

Fa tsy mahasoa ny tsy omban’i Jeso

Ny eto anie fandalovana ihany

Tsy mety mateza fa tsy maintsy ho lo.



Fa katsaho aloha ny fanjakan’Andriamanitra izay no teny

Hanampy anao e ny zava-drehetra

Na harena, na fahaizana, na aina, mora fongana ireny

Jeso aina, fahaizana, haren-tsy voafetra



Fa katsaho aloha ny fahamarinan’ Andriamanitra izay no teny

Hanampy anao e ny zava-drehetra

Na harena, na fahaizana, na aina, mora fongana ireny

Jeso aina, fahaizana, haren-tsy voafetra

Partager tiavo hajao

Commenter tiavo hajao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Mpitory