4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Modia - Ny Mpitory

Modia, modia,

Ry olona efa simban’ota

Fa ahy ianao

Ka satriko hiverina

Jesosy tia, no miantso anao an-tambitamby

Ianao mpania, lazainy fa malalany



Ilaozy ny haratsiana

Afoizo ny otanao

Ekeo fa Jesosy re no hany tsy mandao

Jesosy no miantoka ny fiainan’izay mandray

Ny famonjena nataony tao Kalvary



Indrisy Tompo

Fa olom-poana nefa dia antsoinao

Nandà ny tsara, tsy tia fahamarinana

Ekeko Tompo, Anao ny fiainako rehetra

Ho ato am-poko ’lay hazo fijaliana



Ilaozako ny haratsiana

Afoiko ny otako

Ekeko fa Jeso no hany tsy mandao

Jesosy no làlana sy fahamarinana

Fiainana azo ianteherana



T/F Dr Andriamiadamahatratra Miharilaza

Partager modia

Commenter modia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Mpitory