4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Finoana fanantenana fitiavana - Ny Mpitory

Fantatrao aho Jeso

Fa tsy mba manana finoana

Tsy toa ny voatsinampy akory

Tsy ny am-pahafolony aza

Anefa anie mba te hitory

Te-hanetry ny havoana

Hanainga lohasaha

Toa nofinofin-jaza



Fantatro ihany anie

Fa ny fitantanao

No toky hanana finoana

Sy ahafahana mijoro

Sy hahazoana koa manefa

Izay kasaina mba hatao

Tohano Jeso ny finoako

Mba tsy hikoro



Fantatrao aho Jeso

Fa tsy haiko izany manantena

Izay rehetra andrandraina

Ahiana ndrao ka tsy ho anjara

Ny faniriana mifangaro

Tebiteby tsy hay fefena

Sanganehana

Toa zaza voarara



Fantatro ihany fantatro ihany anie

Fa ny miaraka aminao

Hahaiza-manantena hatrany

Sy hahaizana mitony

Rehefa injay ka mila ho kivy

Na sembanim-panahiana

Tantano aho fa tsy hiala Aminao intsony



Fantatrao aho Jeso

Fa manana fitia tokoa

Fitia manalasala

Nefa mikendry tombontsoa hatrany

Fitia volena tsy terena

Hanotofana longo

Tsy toa ny zaza tia

Tsy mahalala izany



Fantatro ihany fantatro ihany anie

Fa ny fitia tsy mila setry

No hany mendrika hanjaka

Hibahan-toerana ao am-poko

Raha sitrakao Jeso

Ny hambom-poko re hahetry

Soloy fitia tsy mila tamby

Tsy miova loko.

Partager finoana fanantenana fitiavana

Commenter finoana fanantenana fitiavana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Mpitory