4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Miomana - Ny Mpitory

Miomana, miomana !

Fa ho avy ny andron’ny Tomponao !

Miambena, miambena !

Fa akaiky ny andron’ny Tomponao !



Ry mpiambina ô,

Mandrenesa, mifohaza !

Nahoana no rendremana ?

Zay andro zay e, ka tsy mampilaza

Sao manjary hanenenana

Aza avela am’izao ny tanana

Sao ny Tomponao efa injao

Vao hikaroka fomba hialana

Ka tratra matory ianao !

Mifohaza, mifohaza, mifohaza !

Fa tsy fantatrao ny fotoana rehetra

Ka dieny izao dia ...



Miomana, miomana !

Fa ho avy ny andron’ny Tomponao !

Miambena, miambena !

Fa akaiky ny andron’ny Tomponao !



Nahoana ianao no variana mijery

Reo hafa tsy mbola mifoha

Sa kosa tianao ho anao samirery

Ka tolotra atao valisoa

Fa nahoana no dia tia tena

Mamela azy ireo hahantra

Ilazao izy hoe miarena

Sao sendra ny loza hiatra

Mitenena, mitenena, mitenena !

Fa tsy fantatrao ny fotoana rehetra

Ka dieny izao dia ...



Miomana, miomana !

Fa ho avy ny andron’ny Tomponao !

Miambena, miambena !

Fa akaiky ny andron’ny Tomponao !



Miomana, miomana !

Fa ho avy ny andron’ny Tomponao !

Miambena, miambena !

Fa akaiky ny andron’ny Tomponao !

Partager miomana

Commenter miomana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Mpitory