4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tompo ô omeo ahy ny fo madio - Ny Mpitory

Tompo ô ! Omeo ahy ny fo madio

Mba hahaizako mitia anao

Meloka aho kanefa ahitsio

Mba tolory ny famindramponao



Fa mahery, mandresy ihany koa

Izay rehetra miankina aminao

Afaka ahiahy, miadam-po

Mahatoky ny manana anao





    Raha ny heloka efa vitako menatra aho

    Na dia ny hanonona ny anaranao

    Efa nanao izay ratsy indrindra aho teo imasonao

    Indrisy resin’izao tontolo izao ry Tompo



        Fahafatesana anie no mendrika ho ahy izao

        Nefa navotanao

        Fahaverezana mandrakizay no sahaza ahy hatram’izao





Fa mahery mandresy ihany koa

Izay rehetra miankina aminao

Afaka ahiahy miadam-po

Mahatoky ny manana anao....

Partager tompo ô omeo ahy ny fo madio

Commenter tompo ô omeo ahy ny fo madio

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Mpitory