4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ho anao izay mikasa - Ny Mpitory

Ho anao izay mikasa mba hanara-dia

Ny Tompo sy ny Filazantsara

Indro atolotro ho anao ity hira ity

Ndeha ka tanteraho soa aman-tsara



Kanefa mivonona mba handresy

Miomana hiaritra fijaliana

Satria ny eso sy ny latsa anie k’hifanesy

Hiteraka ny fahakiviana



Ny fahakiviana !



Jeso irery ihany no torio

Io ilay tsy miova omaly sy anio

Tsy mampaninona ahy izay fandatsana

Izaho hivavaka ho anao ka mandehana



Dia matokia fa tsy mba ho irery

Ny Tomponao no hanome hery

Fa tsy maintsy ho tafita ho’aho fa dia matokia

Miandry anao any am-paradisa Ilay Jesosy tia !



Tsy maintsy ho tafita ho’aho fa dia matokia

Miandry antsika any am-paradisa Ilay Jesosy tia !

Partager ho anao izay mikasa

Commenter ho anao izay mikasa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Mpitory