4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny teninao - Mage 4

Teninao



Saino tsara ireo izay tokony hatao

Izaho anie any aoriana,mety handao ,

Aza atao namana ary koa mba ialao

Ireo ditra vita hatrizay.



Tsy ho adinoko ireo izay nolazainao,

Hitantana ny fiainako ireo teninao,

Entiko hanorenana ny ho aviko,

Ka aza malahelo ianao !



Ireo teninao ihany ,

No vatsy hoentiko

Hitety ny havoana ,

Handravako ny alina.



Teny no hany lova mba napetrakao ho ahy,

Ilo efa eny an-doha io, ka aza atao mampanahy ;

Ny anaranao mbola hovelomiko indray,

Ka aza malahelo ianao !



Ireo nomenao ahy,

Mino fa tsy ho very,

Fanilon’ny ho aviko,

Tsy hiala ato anatiko.



Mage 4

Partager ny teninao

Commenter ny teninao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mage 4

Suite