4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Na tsiky na tomany - Ny Mpitory

Na tsiky na tomany samy iderako anao

Ry Ray fa avy taminao

Izany ny foko na hiloatra fifaliana na hisento

Hidera anao ihany



Ny doboky ny foko maneho fifaliana

Ny sentoko misoko milaza fijaliana

      Ireny rehetra ireny iderako anao

      Ka sahiko ny miteny izao fanekena izao

      Lanjaiko ampifaliana tsy misy mampanahy

      Ny hazo fijaliana izay nanavotana ahy



Na andro mibaliaka na manjombona aoka izany

Dia mbola iderako anao

Izany na dia hatsiaka mamanala tsy hiala aminao

Ny fo Jeso malalako



Na faly aho na osa hidera sesilany

Ny masoko na kotsa hahita anao hatrany

      Ireny rehetra ireny hiderako anao

      Ka sahiko ny miteny izao fanekena izao

      Lanjaiko am-pifaliana tsy misy mampanahy

      Ny hazo fijaliana izay nanavotana ahy

Partager na tsiky na tomany

Commenter na tsiky na tomany

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Mpitory