4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Misy tsikinao 'zay - Lalie Andriamazava

Misy tsikinao ’zay

Misy tsikinao ’zay

Tsy hay akifika

Fa midongy ao

Ao an-tsaiko ao

Mikorana mora

Ao am_poko ao

Isan’andro ’zao !



’Lay tsiky kely mahasosotra ahy

Tia manaraka ahy

’Lay tsiky kely manadala ahy

Tsy mahasaraka ahy



Misy hiranao ’zay

Misy hiranao ’zay

Tsy hay adinoina

Fa mivazo ao

Ao an-tsaiko ao

Miresaka fitia

Ao an-poko ao

Isan’andro ’zao !



’Lay tsikinao adaladala ’zay

Tia manaraka ahy

’Lay hiranao hafahafa ’zay

Tsy mahasaraka ahy



Tiako sy iriko

Mba hijanona ao

Ao anatiko ao !

Partager misy tsikinao 'zay

Commenter misy tsikinao 'zay

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lalie Andriamazava