4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fitiava-namana - Lalie Andriamazava

Nilaza tamiko izy fa vita hatreo

Ireo rehetra niainanareo

Sady izy hono efa leon’

Ny adiady teo,

Ka lasa izy, nanainga aninkeo



Fafao ny ranomasonao

Matokia ahy, izaho tsy iza fa namanao

Vonona hanampy anao

Hanamaivana ny olanao.



   Tsy misalasala manome tanana

   Sarobidy ny fitiava-namana

   Sady tsy mba miavona



Hadinoy re ’reo sorisorinao

Mitsikia dia andao isika hilalao

Ary ho tsapanao

Fa mbola mamy ny fiainanao

Avelao any ny sento sy tomany

Fa ny korana no ataontsika

Mameno trano.

Partager fitiava-namana

Commenter fitiava-namana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lalie Andriamazava