4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Feo roa - Lalie Andriamazava

Ho inontsika moa ny andro izay mandalo

Raha ny rivotra mifafy no tsy hitondra kalo

Hanambatra ny nofy ho tonga hasambarana

Ho ankafizintsika ka tsy hisy fitsaharana



Ho inontsika moa ny ampitso raha mivazo

Raha ho maina dieny izao ireto voninkazo

Izay notiavintsika ka lasa namololona

Tsara kolokolo ka tsiriritin’olona



Fa ianao no amiko izaho no aminao

Isika no miaraka mozika tsotra izao

Fa tonony sy feo tsy mahay misaraka

Na tsiky na tomany no miraraka

Mahavelon’aina ny hira izay hiraina



Ho inontsika moa ny andon’ny maraina

raha mitampifi hatrany ny kalo izay hiraina

Fa ianao no amiko izaho no aminao

Isika no miaraka mozika tsotra izao



(Mpamorona: Fanja Andriamanantena -

Mpihira: Nanie sy Lalie)

Partager feo roa

Commenter feo roa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lalie Andriamazava