4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ho aiza anefa - Lalie Andriamazava

Hitady tany hafa ve no atao

’Lay rivotra madio sy tena vao ?

Hitady olon-kafa ianao hiara-dia ?

Hitady lalan-kafa hizoranao ?

Hitady fiainan-kafa, ho zakanao ?

Hitady lanitra hafa hiadananao ?



Ho aiza anefa, ho aiza ianao ?

Hitodika aiza handeha ho aiza ?

Hikaroka aizana anefa ianao ?

Hitodika aiza moa ny maso ?

Dia hitady an’iza anefa ianao ?

Ho sendra inona izato dia ?

Dia inona indray no ho hitanao ?

Ho aiza moa ny lalanao ?



Tsy hahita tany hafa anefa ianao

Na lanitra madio sy tena vao

Tsy hahita paradisa an-tany ianao...



Izao no paradisanao na afobe mandoro

Ny horohoro sy ny tsaho ary ny fahalovana.

Ka ny fahoriana, herisetra,

Ny fanenjehana sy ny ady...

Ary na hitsoaka na hiery :

Tsy afa-mikimpy tsy hijery !



Vatsio fanantenana ny misy anao,

Tsilovy hazavana ny alinao,

Zory am-pitiavana ny lalanao,

Araho tsiky ’zato dianao,

Ento am-pitiavana ny lalanao !

Partager ho aiza anefa

Commenter ho aiza anefa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lalie Andriamazava