4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy miraika - Lalie Andriamazava

Ny hanadino anao tsy haiko

Raha ny foko foana no mibaiko

Satriko aza hahita anao

Fa maika aho

Tena maika ny ho eo anilanao



Saingy efa ela loatra

’Lay foko no nitroatra

Tsy niahotra ny ho tia anao

Anefa tsy miraika

Tsy mba maika ny ho eo anilako ianao



Tsy hiandry valiny aho

Tsy hiandrandra tambiny aho

Fa efa fantatro ankehitriny



Fa tsy miraika

Tsy mba maika ny ho eo anilako ianao



Ka aleo aho hisaona ny anaranao

Avelao aho hino hoe foana ny fitiavanao



Mora hanadinoko anao

Mba tsy hanantenako anao

Partager tsy miraika

Commenter tsy miraika

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lalie Andriamazava