4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Miandry anareo - Lalie Andriamazava

Raha misy ny manjo ka manirery

Dia asa raha mba tsapanao

fa mahatsiaro ho tena very ka lao

toa nofy ratsy daholo

Izay rehetra an’eritreritra

Tsy andry izay haha-folo

Tsy aritra



   Rahoviana no hihaona

   Ry zalahy ry zavavy

   Mbola hisy ny fotoana

   Hihaonantsika mianakavy



Manjohy manaraka anao eny foana

Izay mety ho fahatsiarovana

Ka satry re ny saina

Ho babangoana fa torovana



Ry any ambadika any ho any

Mba mahatsiaro ve ’nareo

Ny aty dia mitomany mitoreo

Miandry anareo



   Tafahaona indray hiara hihira

   Hiaraka hilalao, fifaliana

   Hankafy mozika

   Hiaraka hikorana tsy hifandao

   Tsy hifanary fa hilalao

   Ka malai-misaraka

Partager miandry anareo

Commenter miandry anareo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lalie Andriamazava