4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Andriamanitra inoako - Lalie Andriamazava

Ny Andriamanitra inoako, Andriamanitra fitiavana

Tsy Andriamanitra masiaka mpanasazy

Tsy Andriamanitr’antoko, tsy mpanavaka foko

Tsy mpijery harena na fiaviam-pirenena,

Fa ny Andriamanitra inoakao hantra sady honena

Ka ny olona rehetra mahazo azy

Tsy mpizara alahelo, tsy mamorona helo

Fa Izy no fitiavana

Ny Andriamanitra inoako tompon’ny fahendrena

Te hanova izay ratsy ho tsara

Tsy mba faly manjera na revolisionera

Fa manarina hatrany ireo maditra eto an-tany

Ny Andriamanitra inoako Andriamanitra fitiavana

Tsy mba mila takalo fa mizara

Ny mandray izay omeny no hany fandreseny

Fa Izy no fitiavana



Bessa

Interprete: Lalie

Partager andriamanitra inoako

Commenter andriamanitra inoako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lalie Andriamazava