4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fay - Lalie Andriamazava

Mbola tsy adino ihany ve

Ilay tantaranareo efa ela be

No misalasala ianao hilaza hoe tia ahy

Fantaro anefa f’izaho

efa vonona hatry ny ela hanaraka anao

Mandrakizay raha mbola azoko atao

Ho tia anao

    Fay, tena mbola fay ianao

    Ka tsy sahy mirobodroboka

    Ny fonao anefa efa re midobodoboka

    Ho ahy, ho ahy, ho ahy irery...

Tsaroako hoy ianao

Misy tantara anankiray izay

Toa mbola tsaroanao ihany indrindray

Manan-dalao

Fantaro anefa f’izaho

Efa vonona hatry ny ela hanaraka anao

Mandrakizay raha

  mbola azoko atao...

    Fay ,tena mbola fay ianao

    ka tsy sahy mirobodroboka

    Ny fonao anefa efa re midobodoboka

    Ho ahy, ho ahy, ho ahy, ho ahy...

Partager fay

Commenter fay

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lalie Andriamazava