4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fo mifampitady - Lalie Andriamazava

Masoandro mivaliaka ny masonao mijery

Mangalangalatra ahy

Tsy fantatro izay dikany, fa toa mieriery

Kanefa koa toa sahy



Odiako tsy jerena odiako hangarihina

Ezahiko adinoina

Fa miherika mankany ny masoko variana

Miandry ny hoantsoina



Dia mifamilafila teo toa ankizy miady

No fijery anay

Kanefa ange ny fonay dia mifampitady

Efa may dia may



Ka nony vetivety voatery nifandao

Ny masony sy ny ahy

Toa banga vetivety izao tontolo izao

Verivery fanahy

Partager fo mifampitady

Commenter fo mifampitady

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lalie Andriamazava