4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ianao no fahazavana - Mage 4

Ianao no fahazavana



Na tsy hipoitra intsony aza ny andro

Ka ny aizina no hiseho

Ianao no Fahazavana

Na sarotra ho ahy aza ny dia

Mino fa tsy ho very aho

Ianao no hitantana ahy

Na tsy ho hitako intsony aza ny andro

Ka ny efitra no ety

Ianao no loharano

Ka ny ota rehetra vitako

Hitondra fahoriana

Ho ahy raha tsy mino aho

Ka raisinao

Ilay fifonanay

Hiovan’ny taloha

Ho fiainam-baovao



Omeo anay ry Ray ( omeo anay )

Ilay Fitiavanao

Mba ho famonjena anay

Vohay aminay ( aminay )

Ilay varavarana

Varavaran’ny Fonao

Ny fonay koa ry Ray(  mba ovay )

Mba tsy ho ankosotra

Ho tahiry am-balanao

Raisonao ry Ray ny fifonanay

Sy ho fiderana Anao

Fa Ianao na Fahazavana

Fahazavana ho anay

Fa Ianao no FAHAZAVANA

Partager ianao no fahazavana

Commenter ianao no fahazavana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mage 4

Suite