4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fa izaho sy ianao - Mage 4

Fa izaho sy ianao



Na dia hoe tsy mbola tazany aza

Ny hazavana nandrandrainy omaly

Izy ireo niatrika lava

Fahantrana, zioga sy ny jaly



Hany anjaran’izy ireo

Ilay fanantenana

Fa ho sambatra izy ireo

Any andro iray



Fa izaho sy ianao

Hifanome tanana indray

Ho fanoherana

Ny aizina sy kitroka mianjady

Fa izaho sy ianao

Ny feo no asandratra ho iray

Fifandeferana

Hiaraka hihira mba ho azy



Izay natao nahatsemboka omaly

Ny anio mbola hiverina

Inona indray ny ho entin’ny ampitso

Fa ny androany nadreraka vao azo



Hany anjaran’izy ireo…..

Mage 4

Partager fa izaho sy ianao

Commenter fa izaho sy ianao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mage 4

Suite