4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tompo-tsafidy - Lola

Ny vavako vao miteny dia ny anaranao
izaho mahatsiaro ireny raha lavitra anao
ny saiko tsy tana fa mitady
ity foko tsy tony fa miangavy

na ny kely ananako omeko tsotra izao
na ny aiko aza hafoiko raha mbola ianao
hasambarana ho ahy ny mizara
tena avy ato anaty ry malala
ho sasa-poana izay mitady handrava
ny antsika tsy ho foana mbola hitohy lalandava


               tsy ho azon'iza fefena ny foko
               ny mitia anao mbola zoko
               sanatria raha vavan'olona no hahakivy
               dia izaho sy ianao no tompo-tsafidy                x2


ianao tokoa anie no fifaliana
manafoana ny hakiviana
tojo an'ilay olon-tiana
dia tsy iza fa ianao izay nirina


ireo Ray aman-dreny
fanaja izy ireny
ny safidy koa tsy an-tery
ilay fitia no mahery

Partager tompo-tsafidy

Commenter tompo-tsafidy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lola

Suite