4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Antsirabe - Bessa sy lola

Raha vao maraina koa dia hiomana aho ho any Antsirabe
Voalamiko avokoa ny entan-keliko hatry ny ela be
Toy ny farimbondroa ao an-daona iray ny fandre izao
Fidoboky ny fo faly hotsenain'ireo havako ao


Tsy ahoako ny hatsiaka mamanala
Fa satria akany tiana anie ilay Antsirabe
Dia ilay tanàna nisy ireo malala
Dada, Neny, zoky, zandry koa
Ary Nenibe sy Dadabe


Rehefa tonga indray ny handaozanay an' Antsirabe
Izao no hiranay vokatry ny fo teny tsotra hoe
Tsy ho mandrakizay ny handaozanay an' Antsirabe
Ndeha hianatra izahay tsofy rano re ho tafita anie


Mbola hody (2) tsy ho ela
Fa satria akany tiana anie ilay Antsirabe
Fa ny mody fanafody tsy mamela
Tsy mamela hanadino anie
Hanadino ilay Antsirabe

Partager antsirabe

Commenter antsirabe

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bessa sy lola

Suite