4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Amontana - Bessa sy lola

Amontana anankiray avo be
Izay ngeza sy midoroboka
No fototra nipoirako
Tahaka ny voaloboka
Tambanin'ny alokalony
No mitoloko miadana
Voaaro amin'ny andro be
Tsy voafaokan'ny rivotra.

Ka rehefa tsy eo intsony
Ilay hazo tena lalaiko
Mbola ataoko ho rehareha
Izany atao hoe dimbiny sy solofony.

Rehefa ela aho dia lehibe
Fa izy kosa nidoboka
Nazeran'ny fahanterana
Ka zary maina sy boboka
Ny vorona amin'ny kalony
No mitantara mahalana
Fa nifarimbona hono hoe
Ny havandra loza sy rivotra.

Na dia efa tsy eo intsony
Ilay hazo tena lalaiko
Mbola ataoko ho rehareha
Izany atao hoe dimbiny sy solofony.

Partager amontana

Commenter amontana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bessa sy lola

Suite